Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanondroana anaran-toerana ao amin’ny Baiboly


Fanondroana anaran-toerana ao amin’ny Baiboly

Ny fanondroana sarintany dia afaka manampy anao hahita ny toerana manokana iray eo amin’ny sarintany. Ny lohateny tsirairay dia ahitana ny laharan’ny sarintany, arahin’ny fomba fandaharana izay mampifanaraka tarehimarika sy tarehintsoratra. Ohatra: ny toerana misy ny Raba (Amana) eo amin’ny sarintany voalohany dia nomena ny laharana 1:E5—izany hoe sarintany 1, efamira E5. Azonao atao ny mitady ny efamira eo amin’ny sarintany iray amin’ny alalan’ny fijerena ny tarehimarika sy ny tarehintsoratra izay eo ambony sy eo amin’ny sisin’ilay sarintany. Ny anarana hafa entin’ny toerana iray dia voasoratra ao anaty fononteny; ohatra: Raba (Amana). Ny baraingo manaraka ny anarana iray dia milaza fa ny toerany aseho eo amin’ny sarintany dia mety ho ny toerany marina saingy tsy tena azo antoka.