Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99


Fizarana 99

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i John Murdock, ny 29 aogositra 1832, tao Hiram, Ohio. Nitory ny filazantsara nandritra ny herintaona mahery i John Murdock ka nipetraka tany amin’ny fianakaviana hafa tany Ohio ireo zanany—kamboty reny taorian’ny nahafatesan’i Julia Clapp vadiny ny volana aprily 1831—nandritra izany.

1–8, Voantso hitory ny filazantsara i John Murdock, ary ireo izay nandray azy dia mandray ny Tompo ary hahazo famindram-po.

1 Indro, toy izao no lazain’ny Tompo amin’i John Murdock mpanompoko—voantso ianao handeha hankamin’ny tany atsinanana, hitety ny isan-trano, ny isam-bohitra ary ny isan-tanàna, mba hitory ny filazantsarako maharitra mandrakizay amin’ny mponiny, eo afovoan’ny fanenjehana sy ny faharatsiana.

2 Ary izay mandray anao dia mandray Ahy; ary hanan-kery hanambara ny teniko amin’ny fanehoan’ny Fanahiko Masina ianao.

3 Ary izay mandray anao tahaka ny ankizy madinika dia mandray ny fanjakako; ary sambatra izy fa hahazo famindram-po.

4 Ary na zovy na zovy no mitsipaka anao dia hotsipahin’ny Raiko sy ny tranony; ary hodiovinao amin’ny toerana mangingina amoron-dalana ny tongotrao ho vavolombelona hiampanga azy.

5 Ary indro ka jereo, avy faingana tokoa ho fitsarana Aho handresy lahatra ny rehetra ny amin’ny asa ratsiny izay efa nataony nanohitra Ahy araka izay voasoratra momba Ahy ao amin’ny horonam-boky.

6 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ilaina ny handehananao raha tsy efa manana vatsy ny zanakao ary nalefa tamin’ny hatsaram-panahy ho any amin’ny evekan’i Ziona.

7 Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, raha maniry izany Amiko ianao dia hahazo hiakatra koa ho ao amin’ny tany lonaka mba hizaka ny lovanao;

8 Raha tsy izany dia hanohy ny fitoriana ny filazantsarako ianao ambara-paka anao. Amena.