Scripture Stories
Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina


“Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 4–5

Fonenana vaovao ao amin’ny tany nampanantenaina

Ireo Nefita sy ireo Lamanita

Sary
Fianakaviana manodidina an’i Lehia

Tsy nitsaha-nitombo ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià tao amin’ny tany nampanantenaina. Lasa nanan-janaka ihany koa ny zanak’izy ireo. Nitombo fahanterana i Lehia. Talohan’ny nahafatesany dia nitsodrano ireo olona tao amin’ny fianakaviany izy. Nolazainy izy ireo fa raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra izy ireo dia hanampy azy ireo ny Tompo.

2 Nefia 4:3–12

Sary
I Lamàna sy i Lemoela mijery an’i Nefia

Taorian’ny fahafatesan’i Lehia dia nitarika ny olona i Nefia. Noteneniny izy ireo mba hankatò ny Tompo. Tezitra i Lamàna sy i Lemoela. Nikasa ny hifofo ny ain’i Nefia izy ireo mba hahafahan’izy ireo mitarika eo amin’ny toerany.

2 Nefia 4:13; 5:1–4

Sary
Vondron’olona miara-mandeha

Notenenin’ny Tompo i Nefia mba hiala miaraka amin’ny fianakaviany sy izay olona rehetra maniry ny hanaraka ny Tompo. Nanao dia lavitra nandritra ny andro maro izy ireo ary nahita toerana vaovao honenana.

2 Nefia 5:1, 5–8

Sary
Olona mamboly sy miompy

Ireo izay nanara-dia an’i Nefia dia nantsoina hoe Nefita ary ireo izay nijanona dia nantsoina hoe Lamanita. Nangataka an’i Nefia mba hitarika azy ireo ny Nefita. Niasa mafy izy ireo. Namboly, niompy, ary nanangana tempoly sy trano lehibe hafa izy ireo. Nampianatra azy ireo momba ny Tompo ny mpisorona sy ny mpampianatra, ary dia faly ny vahoaka.

2 Nefia 5:9–11, 13–17, 26–27