Scripture Stories
I Kôriantôna


“I Kôriantôna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 39–42

I Kôriantôna

Mitodika indray any amin’ny Tompo

Sary
I Kôriantôna mampianatra olona

Anisan’ny iray tamin’ireo zanakalahin’i Almà i Kôriantôna. Niaraka tamin’ny rainy sy i Siblôna rahalahiny ary olona hafa izy mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amina vondron’olona iray antsoina hoe Zôramita.

Almà 31:5–7; 32:1

Sary
I Kôriantôna misotro miaraka amin’ny olona

Rehefa niaraka tamin’ny olona i Kôriantôna dia nalaim-panahy hanota izy. Raha tokony hankatò ny Tompo izy dia nisafidy kosa ny hanao zavatra izay mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra. Noho ny zavatra nataony dia tsy nino izay nampianarin’i Almà sy ireo zanakalahiny ny Zôramita sasany.

Almà 39:2–5, 11–12

Sary
I Almà miresaka amin’i Kôriantôna

Nanasa an’i Kôriantôna mba hibebaka sy hitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana famelan-keloka i Almà. Sahiran-tsaina momba ireo ampahan-javatra sasantsasany tao amin’ny drafitry ny Tompo i Kôriantôna. Nanampy ilay zanany i Almà mba hahatakatra ny drafitry ny fahasambarana an’ny Tompo, ny Sorompanavotan’i Kristy, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Nampahatsiahy azy i Almà fa nanana asa hampanaovina azy ny Tompo.

Almà 39:7–9, 13–19; 40–42

Sary
I Kôriantôna mampianatra olona

Nihaino ny rainy i Kôriantôna. Nanam-pinoana an’i Jesoa sy nibebaka tamin’ny fahotany izy. Nianatra izy fa ny Tompo dia marina ary be fitiavana sy tsara fanahy ihany koa. Nampianatra indray niaraka tamin’ny rainy sy ny rahalahiny i Kôriantôna. Nampianatra olona maro momba ny fifaliana sy ny fiadanana avy amin’ny fibebahana sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

Almà 42:30–31; 43:1–2; 48:17–18