Scripture Stories
I Teankoma sy i Môrônia


“I Teankoma sy i Môrônia,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 62

I Teankoma sy i Môrônia

Maneho herim-po lehibe

Sary
I Amôrôna miaraka amin’ny tafika Lamanita miady amin’ny tafika Nefita

Rehefa maty i Amalikià dia lasa mpanjaka Lamanita i Amôrôna rahalahiny. Nanohy niady tamin’ny Nefita i Amôrôna. Naharitra taona maro ny ady. Nanomboka nandresy ny Nefita, ka nandositra nankany amin’ny tanàna iray ny miaramila Lamanita rehetra. Nandeha nanaraka ny Lamanita niaraka tamin’ny miaramilany i Môrônia sy i Teankoma ary ny kapiteny Nefita iray hafa.

Almà 52:3–4; 54:16–24; 62:12–35

Sary
Mitàna lefona i Teancum ary manatona tanàna amin’ny alina

Tezitra i Teankoma fa i Amalikià sy i Amôrôna no nahatonga ity ady lehibe sy lava ity. Noho ny ady dia maro ny olona maty ary zara raha nisy sakafo. Naniry ny hamarana ny ady i Teankoma. Niditra tao an-tanàna izy tamin’ny alina mba hitady an’i Amôrôna.

Almà 62:35–36

Sary
Mitazona tady miaraka amin’ny farango i Teankoma ary mitsambikina eo ambonin’ny rindrina

Nananika ny mandan’ny tanàna i Teankoma. Nandeha nitety toerana tao an-tanàna izy mandra-pahitany ny toerana natorian’i Amôrôna.

Almà 62:36

Sary
Mijoro eo amin’ny fidirana amin’ny lay miaraka amin’ny lefona sy tady i Teankoma

Notorahan’i Teankoma tamin’ny lefona i Amôrôna. Nahavoa azy teo akaikin’ny fony izany. Saingy namoha ny mpanompony i Amôrôna talohan’ny nahafatesany.

Almà 62:36

Sary
Mifanandrina amin’ny miaramila Lamanita amin’ny lefona i Teankoma

Nanenjika an’i Teankoma ny mpanompon’i Amôrôna ary namono azy. Nalahelo mafy ireo mpitarika Nefita hafa rehefa maty i Teankoma. Niady tamin-kerim-po ho an’ny fahafahan’ny vahoakany izy.

Almà 62:36–37

Sary
Miaramila Nefita misambotra ireo miaramila Lamanita

Na dia maty aza izy dia nanampy ny Nefita handresy ny ady i Teankoma. Nataony izay tsy hananan’ny Lamanita mpitarika intsony. Ny ampitso marainan’io dia niady tamin’ny Lamanita i Môrônia ary nandresy. Nandao ny tanin’ny Nefita ny Lamanita, ary nifarana ny ady.

Almà 62:37–38

Sary
Mitarika lehilahy hanorina tanàna iray ny Kapiteny Môrônia, ary mijery ireo fianakaviana

Nilamina ihany ny farany. Niasa mafy i Môrônia mba hahatonga ny tanin’ny Nefita ho voaro kokoa amin’ny Lamanita. Avy eo dia nody i Môrônia ka niaina tamim-piadanana. Nampianatra ny filazantsara sy nitarika ny Fiangonan’ Andriamanitra ny mpaminany. Nitoky ny Tompo ny olona, dia notahiany izy ireo.

Almà 62:39–51