Scripture Stories
Etera Mpaminany


“Etera Mpaminany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Etera 6; 12–15

Etera Mpaminany

Ny fampitandreman’ny Tompo ho an’ny firenena iray

Sary
olona falifaly ao amin’ny tsena ao amin’ny tanàna

Nentin’ny Tompo nankany amin’ny tany nampanantenaina ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany. Nanetry tena izy ireo ary nitandrina ny didin’ Andriamanitra. Nitombo nandritra ny taona maro ny vondron’izy ireo, ary naniry mpanjaka hitarika azy izy ireo. Nampitandrina azy ireo ny rahalahin’i Jareda fa mety hitarika korontana ny fananana mpanjaka, saingy navelany hifidy mpanjaka izy ireo.

Etera 6:5, 12–18, 22–24, 27

Sary
Tezitra ny Jaredita ary manondro an’i Etera amin’ny rantsantanana

An-jato taonany no niainan’ny Jaredita tao amin’ny tany nampanantenaina. Indraindray ny mpanjakany dia nitarika azy ireo hanao ny tsara, fa indraindray kosa tsy nanao izany. Nampitandrina ny olona ny mpaminanin’ Andriamanitra mba hibebaka. Rehefa nihaino sy nankatò ny didin’ Andriamanitra ny vahoaka dia nanampy azy ireo Izy. Etera no anaran’ny mpaminany Jaredita farany.

Etera 7:23–27; 9:26–30; 10:16–17, 28; 11:1–8, 12–13, 20–22; 12:2

Sary
Mipetraka sy mampianatra i Etera, ary misy olona sasany tezitra

Tsy nankatò an’ Andriamanitra ny olona. Saingy nomba an’i Etera ny Fanahin’ny Tompo. Nampianatra azy ireo manomboka ny maraina hatramin’ny alina izy. Nilaza azy ireo izy mba hino an’ Andriamanitra ary hibebaka, raha tsy izany dia ho ringana izy ireo. Raha nanam-pinoana izy ireo dia afaka nanantena ny hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray ary hanana hery hanaovana zavatra tsara. Tsy nino ny olona.

Etera 11:22; 12:2–5; 13:2

Sary
Mipetraka ao anaty lava-bato i Etera ary manoratra

Nijery ny zavatra nataon’ny olona i Etera. Niafina tao anaty lava-bato izy nandritra ny andro ary nanoratra izay hitany. Tsy nibebaka ny vahoaka fa niady izy samy izy.

Etera 13:13–15

Sary
Kôriantomira mijery ny eo alohany

Hitan’i Etera fa tsy maintsy niady tamin’ny olona maro izay te ho mpanjaka i Kôriantomira mpanjakan’ny Jaredita. Nampiasa ny miaramilany i Kôriantomira mba hiarovana ny tenany.

Etera 12:1; 13:15–19

Sary
Etera miresaka amin’i Kôriantomira

Indray andro dia nilaza tamin’i Etera ny Tompo hampitandrina an’i Kôriantomira sy ny vahoakany mba hibebaka. Raha nanao izany izy ireo dia hanampy ny vahoaka ny Tompo ary hamela an’i Kôriantomira hihazona ny fanjakany. Raha tsy nanao izany izy ireo dia hifamotika ny vahoaka. Ho ela velona i Kôriantomira mba hahafahany mahita ny fahamarinan’ny tenin’ny Tompo. Dia ho faty koa izy avy eo.

Etera 13:20–21

Sary
Miady amin’ny miaramilan’i Kôriantomira i Siza sy ny miaramilany ary mijery izany i Etera

Tsy nibebaka i Kôriantomira sy ny vahoakany. Niezaka ny hamono an’i Etera ny olona, fa i Etera kosa nandositra nankany amin’ny lava-batony. Niady tamin’i Kôriantomira ny lehilahy iray antsoina hoe Siza. Nisafidy ny hanatevin-daharana na ny miaramilan’i Siza na ny miaramilan’i Kôriantomira ny vahoaka. Niady imbetsaka ny tafika roa tonta. Betsaka ny olona maty.

Etera 13:22–25; 14:17–20; 15:2

Sary
Miady amin’ny miaramilan’i Siza ny miaramilan’i Kôriantomira ary manoratra taratasy i Kôriantomira

Nahatsiaro ny zavatra nolazain’i Etera i Kôriantomira. Nalahelo izy fa be dia be ny olony maty. Tsaroany fa ny mpaminany rehetra dia nampitandrina fa hitranga izany. Nanomboka nibebaka izy ary nandefa taratasy ho an’i Siza. Nilaza izy fa hafoiny ny fanjakana raha azo voavonjy ny olony. Te hiady anefa i Siza.

Etera 15:1–5

Sary
lehilahy sy vehivavy ary ankizy miaramila mandeha, ary mijery izany i Etera

Tezitra ny vahoakan’i Kôriantomira ary te hiady. Tezitra koa ny vahoakan’i Siza ary te hiady. Tsy nisy te hibebaka. Hitan’i Etera fa nandeha niady ny olona tsirairay. Olona maro hatrany no maty.

Etera 15:6, 12–17

Sary
Mandohalika amin’ny orana sady mihazona lefona i Kôriantomira

Te hampitsahatra ny ady i Kôriantomira. Nangataka an’i Siza izy mba haka ny fanjakana fa tsy handratra ny olony. Tezitra anefa ny rehetra. Tsy nanana ny Fanahin’ny Tompo izy ireo. Hitan’i Etera fa nitohy niady ny rehetra mandra-pahatonga an’i Kôriantomira ho hany Jaredita afa-velona. Avy eo dia torana i Kôriantomira.

Etera 15:18–30, 32

Sary
Mandohalika sy mivavaka amin’ Andriamanitra eo amin’ny alitara iray eo an-tampon’ny havoana i Etera, ary tahirizina ao anaty lava-bato eo akaiky eo ny rakitsoratra

Hitan’i Etera fa tanteraka avokoa izay rehetra nolazain’ny Tompo. Vitan’i Etera ny fanoratana ny zava-nitranga. Avy eo dia nataony izay hahazoana antoka fa hahita ny asa-sorany ny olona rehefa lasa izy. Natoky an’ Andriamanitra i Etera ary niandrandra ny hiaraka Aminy indray andro any.

Etera 15:33–34