Scripture Stories
Mosesy zazakely


“Mosesy zazakely,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Mosesy zazakely,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 1–2

Mosesy zazakely

Miaro ny mpitarika ny Isiraelita amin’ny hoavy

Sary
Farao mijery fanjakana

Lasa vahoaka lehibe tany Egypta ny fianakavian’i Jakoba. Nantsoina hoe Isiraelita izy ireo. Natahotra i Farao mpanjakan’i Egypta fandrao ho betsaka loatra ny Isiraelita indray andro any ka haka an’i Egypta izy ireo, koa dia nataony ho andevo ny Isiraelita.

Eksodosy 1:7–14

Sary
miaramila mijery renirano

Noho izany dia nodidian’i Farao ny hamonoana ny zazalahy vao teraka rehetra tamin’ny Isiraelita. Natahotra mafy ireo fianakaviana Isiraelita.

Eksodosy 1:15–22

Sary
Jokebeda sy i Miriama ary i Mosesy zazakely tao amin’ny renirano

Nisy reny Isiraelita nantsoina hoe Jokebeda nieritreritra fomba hanavotana ny zananilahy vao teraka. Nataony tao anaty harona iray ilay zanany ary nafeniny tao amin’ireo lobolobo teo amoron’ny renirano Neily. Nanara-maso azy mba tsy ho azon’ny loza i Miriama anabavin’ilay zaza.

Eksodosy 2:1–4

Sary
ny zanakavavin’i Farao mihazona an’i Mosesy zazakely

Raha nandro tao amin’ny renirano ny zanakavavin’i Farao dia nahita ilay harona. Nahita ilay zazakely Isiraelita tsy afa-manoatra nitomany izy ary naniry ny hitaiza azy toy ny zanany. Nanatona ny zanakavavin’i Farao i Miriama ary nanontany raha toa ka afaka mitondra vehivavy Isiraelita izy hikarakara ilay zaza.

Eksodosy 2:5–6

Sary
zanakavavin’i Farao, Jokebeda, Miriama ary Mosesy zazakely

Nentin’i Miriama ho any amin’ny zanakavavin’i Farao i Jokebeda reniny. Nanaiky ny hanakarama an’i Jokebeda mba hikarakara ilay zaza ny zanakavavin’i Farao.

Eksodosy 2:8–9

Sary
zanakavavin’i Farao, Jokebeda ary Mosesy

Nitombo ilay zaza Isiraelita. Notaizan’ny zanakavavin’i Farao toy ny zanany izy. Nomenay anarana hoe Mosesy izy.

Eksodosy 2:10