Scripture Stories
Noa sy ny fianakaviany


“Noa sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Noa sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 6–9; Mosesy 8

Noa sy ny fianakaviany

Sambofiara, safo-drano, ary ny fampanantenan’ny Tompo

Sary
Noa mijery olona

Nankatò ny Tompo i Noa sy ny fianakaviany. Tena ratsy ny olona hafa rehetra. Nilaza tamin’i Noa ny Tompo fa hisy safo-drano handrakotra ny tany raha tsy mibebaka ny olona.

Genesisy 6:5–13; Mosesy 8:13–17

Sary
Noa mampianatra olona

Nampianatra ny vahoaka i Noa fia tia azy ireo ny Tompo ary tiany hibebaka izy ireo sy hanana finoana an’i Jesoa Kristy. Tsy nihaino izy ireo.

Mosesy 8:19–30

Sary
Noa mianakavy manamboatra sambofiara.

Nalahelo i Noa satria tsy nibebaka ny vahoaka. Nilaza tamin’i Noa ny Tompo mba hanamboatra sambo lehibe iray antsoina hoe sambofiara. Ilay smbofiara dia hiaro an’i Noa sy ny fianakaviany mandritra ny safo-drano.

Genesisy 6:14–18; Mosesy 8:25

Sary
biby miditra ao amin’ny sambofiara

Nitondra sakafo tao amin’ilay sambofiara ny fianakavian’i Noa. Nandefa biby farafahekeliny roa isaky ny karazany ny Tompo nankany amin’i Noa. Niditra tao amin’ilay sambofiara ireo biby.

Genesisy 6:18–22; 7:1–9

Sary
sambofiara mitsingevana ambony ranomasina

Araka ny efa nampitandreman’ny Tompo dia nilatsaka ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Nisy safo-drano nandrakotra ny tany.

Genesisy 7:6–23

Sary
Noa mianakavy

Nandeha soa aman-tsara teny ambony rano ny fianakavian’i Noa sy ireo biby rehetra.

Genesisy 7:24; 8:1–3

Sary
Noa, fianakaviany, ary ireo biby eo amin’ny tany

Rehefa tapitra ny safo-drano, dia nijanona tamin’ny tany maina ilay sambofiara. Nanangana alitara i Noa sy ny fianakaviany mba hitsaohana ny Tompo sy hisaorana Azy noho ny fiarovany azy ireo. Nampanantena ny Tompo fa tsy hanafotra ny tany intsony. Nandefa avana izy ho fampahatsiahivana ny fampanantenany.

Genesisy 8:13–22; 9:8–17