Scripture Stories
Isaia mpaminany


“Isaia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Isaia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Isaia 6–79; 53–54

Isaia mpaminany

Faminaniana momba an’i Jesoa Kristy Tompo

Sary
Isaia nantsoin’ny Tompo

Efa imbetsaka ny Isiraelita no resy an’ady ka naniry ny hiarovan’ny Tompo azy ireo. Indray andro tao amin’ny tempoly dia niantso lehilahy iray nantsoina hoe Isaia ny Tompo mba hampianatra ny olona momba ny fiavian’i Jesoa Kristy. Tian’i Isaia ireo olona ka dia nampianariny azy ireo ny fomba ahafahan’i Kristy mamonjy azy ireo.

Isaia 6:1–8

Sary
Isaia maminany ny fahaterahan’i Jesoa

Nianatra i Isaia fa ho avy i Jesoa Kristy indray andro any mba hamonjy ny olony amin’ny fahotana. Saingy tsy ny rehetra no hanaiky Azy ho Mpamonjy azy ireo. Nalahelo fatratra i Isaia satria fantany fa maro be ny olona tsy hino an’i Jesoa Kristy.

Isaia 6:9–13; 7:14; 53:1–9

Sary
Isaia manoratra momba ny Fiavian’i Kristy fanindroany

Fa naminany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany koa i Isaia. Hiverina i Jesoa Kristy ary ho Mpanjakan’ny tany manontolo. Ho avy indray Izy hanatanteraka ny drafitry ny Rainy amin’ny alalan’ny fitondrana ny hatsaram-panahy sy ny fiadanana mandrakizay. Nilaza Isaia fa ho fantatry ny olona rehetra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo.

Isaia 9:6–7; 54:1–10