Scripture Stories
Ny miaramilan’i Gideona


“Ny miaramilan’i Gideona,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny miaramilan’i Gideona,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Mpitsara 6–7

Ny miaramilan’i Gideona

Matoky ny Tompo ao anatin’ny ady

Sary
Midianita mangalatra sakafo

Notahiana nandritra ny taona maro ny vahoakan’i Isiraely. Saingy nisafidy ny tsy hankatò ny Tompo izy ireo taty aoriana. Mba hanampiana azy ireo hahatsiaro Azy dia navelan’ny Tompo naka ny sakafony sy ny biby fiompiny ny Midianita fahavalon’izy ireo. Maty mosary ny Isiraelita ka noho izany dia nahatsiaro ny Tompo sy nivavaka Taminy mba hahazo fanampiana izy ireo.

Mpitsara 6:1–7

Sary
anjely iray miresaka amin’i Gideona

Lehilahy avy amina fianakaviana mahantra i Gideona. Naniraka anjely hiantso azy hanafaka an’i Isiraely ny Tompo. Nanontany tena i Gideona hoe nahoana ny Tompo no nisafidy azy.

Mpitsara 6:11–15

Sary
olona tezitra amin’i Gideona eo akaikina sampy iray narodana

Nasain’ny Tompo noravan’i Gideona ireo toerana nanompoan’ny Isiraelita andriamani-kafa. Rehefa nankatò i Gideona dia tezitra ny olona.

Mpitsara 6:25–27

Sary
ny rain’i Gideona miaro azy amin’ireo olona tezitra

Te hamono an’i Gideona ny Isiraelita. Saingy nandresy lahatra azy ireo ny rain’i Gideona mba tsy hanao ratsy azy. Afa-doza i Gideona.

Mpitsara 6:28–32

Sary
Gideona mivavaka

Tsy nino i Gideona hoe afaka ny hanafaka an’i Isiraely izy. Nisy miaramila 135.000 mahery tao amin’ny tafiky ny Midiana. Saingy nomen’ny Tompo fahendrena sy tanjaka i Gideona.

Mpitsara 6:13–16; 8:10

Sary
miaramila mandao ny tafika

Tian’ny Tompo hahafantatra ny Isiraelita fa afaka mandresy amin’ny tanjaka avy Aminy izy ireo, fa tsy ny tanjak’izy ireo manokana. Na dia tsy nanana afa-tsy miaramila 32.000 aza i Isiraely dia nasain’ny Tompo nalefan’i Gideona nody izay miaramila natahotra. Rehefa nisy 22.000 nody dia miaramila 10.000 sisa no tavela tamin’ny Isiraelita.

Mpitsara 7:2–3

Sary
miaramila misotro rano

Nilaza ny Tompo fa mbola be dia be izany miaramila 10.000 izany. Nasainy nentin’i Gideona nidina teny amin’ny rano ireo miaramila. Halefa hody ireo izay nisotro avy hatrany tamin’ny vavany teo amin’ny rano. Ireo izay nampiasa ny tanany hisotroana ilay rano dia afaka nijanona. Tamin’izay dia lehilahy 300 sisa no tavela.

Mpitsara 7:4–7

Sary
miaramila Isiraelita miaraka amin’ny anjomara sy fanilo nanodidina ny tobin’ny Midiana

Nony farany dia vonona ny hiady ny Isiraelita. Nasehon’ny Tompo an’i Gideona ny fomba handresena ny Midianita. Nasain’i Gideona nampiasa anjomara sy fanilo ny miaramilany mba hampitahorana azy ireo. Nampisavorovoro ny Midianita tokoa ny tabataba sy ireo hazavana ka nanomboka niady izy samy izy. Dia ninananana izy ireo sady nandositra.

Mpitsara 7:16–22

Sary
Gideona mitarika ireo miaramila

Koa satria natoky ny Tompo i Gideona dia naharesy ilay tafika lehibe an’ny Midiana tamin’ny miaramila 300 monja ny Isiraelita. Nafahan’ny Tompo ny vahoakan’i Isiraely.

Mpitsara 7:23–25