Scripture Stories
Nanasitrana an’i Namàna i Elisa


“Nanasitrana an’i Namàna i Elisa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Nanasitrana an’i Namàna i Elisa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

2 Mpanjaka 5

Nanasitrana an’i Namàna i Elisa

Ny nisehoan’ny fahagagana lehibe iray avy tamin’ny finoana kely

Sary
Namàna marary eo am-pandriana

Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Namàna, nipetraka tany Syria lavitra be tany. Kapiteny nanana ny hasiny tao amin’ny tafika Syriana izy. Saingy nanana aretin-koditra naharary nantsoina hoe habokana i Namàna.

2 Mpanjaka 5:1

Sary
ankizivavy Isiraelita miresaka amin’ny vadin’i Namàna

Ankizivavy Isiraelita ny mpanompon’ny vadin’i Namàna. Nanam-pinoana ny Tompo ilay zazavavy. Nilaza izy fa raha afaka namangy ny mpaminany Elisa i Namàna dia ho sitrana tamin’ny aretiny i Namàna.

2 Mpanjaka 5:2–4

Sary
Namàna manao dia lavitra mba hitady an’i Elisa

Nanao dia lavitra be i Namàna mba hitady an’i Elisa. Nihevitra i Namàna fa hositranina tamin’ny fahagagana lehibe izy.

2 Mpanjaka 5:5–8

Sary
Namàna miresaka amin’ny mpanompon’i Elisa

Tonga tany an-tranon’i Elisa i Namàna niaraka tamin’ireo mpanompony sy ny soavaliny ary ireo kalesiny. Naniraka ny mpanompony i Elisa mba hanome an’i Namàna ireo torolalana avy tamin’ny Tompo. Hanasitrana an’i Namàna ny Tompo raha mandro im-pito ao amin’ny onin’i Jordana izy.

2 Mpanjaka 5:9–10

Sary
Namàna mimonomonona eo amoron-drano

Tezitra i Namàna satria tiany hivoaka dia hanasitrana azy haingana ny mpaminanin’ny Tompo. Nimonomonona i Namàna fa tsy tsara tahaka ireo ony lehibe tao Syria ny onin’i Jordana.

2 Mpanjaka 5:11–12

Sary
mpanompo miresaka amin’i Namàna eo amoron-drano

Nanontany anefa ireo mpanompon’i Namàna hoe inona no antony tsy hanaovan’i Namàna zavatra tsotra toy izany. Na dia tsy azon’i Namàna mihitsy aza ny antony hanaovana izany dia nangataka azy hanao izany ny mpaminanin’ny Tompo.

2 Mpanjaka 5:13

Sary
Namàna ao amin’ny onin’i Jordana, sitrana

Tsy niavonavona intsony i Namàna fa nihaino ireo mpanompony. Nandro im-pito tao amin’ny onin’i Jordana izy. Dia nositranin’ny Tompo i Namàna, tahaka izay nolazain’i Elisa. Fantatr’i Namàna fa mpaminany i Elisa ary tena misy ny Tompo.

2 Mpanjaka 5:14–15