Scripture Stories
Hana


“Hana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Hana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Samoela 1–2

Hana

Ny valim-bavaka nomen’ny Tompo ny vehivavy mahatoky iray

Sary
Hana mitomany mivavaka ao amin’ny tempoly

Isan-taona i Hana sy ny vadiny dia nandeha tany an-tranon’ny Tompo, dia ny tempoly izany. Tsy nanan-janaka i Hana dia nalahelo mafy izy. Nifady hanina sy nivavaka izy mba hahazo zazalahy. Nampanantena ny Tompo i Hana fa raha tera-dahy izy dia hanompo ny Tompo mandritra ny androm-piainany ilay zanany lahy.

1 Samoela 1:1–11

Sary
Ely miresaka amin’i Hana

Nahita an’i Hana nitomany ny mpisorona iray nantsoina hoe Ely. Nilaza tamin’i Hana izy fa hamaly ny vavaka nataon’i Hana ny Tompo. Natoky ny Tompo i Hana ary velom-panantenana.

1 Samoela 1:12, 17–18

Sary
Hana miaraka amin’ny vadiny sy i Samoela zazalahy

Tamin’io taona io dia tera-dahy i Hana. Nomeny anarana hoe Samoela izy.

1 Samoela 1:20–23

Sary
Hana mitondra an’i Samoela any amin’i Ely ao amin’ny tempoly

Nitana ny fampanantenana nataony tamin’ny Tompo i Hana. Rehefa lehibe i Samoela dia nentin’i Hana mba hanompo tao amin’ny tranon’ny Tompo izy. Niara-nanompo tamin’i Ely mpisorona izy. Nanohy nitsidika an’i Samoela i Hana. Nitondra akanjo namboariny ho azy i Hana. Nomen’ny Tompo zanaka dimy hafa i Hana.

1 Samoela 1:24–28; 2:21