Scripture Stories
Elisa sy ny tafiky ny Tompo


“Elisa sy ny tafiky ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Elisa sy ny tafiky ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

2 Mpanjaka 6

Elisa sy ny tafiky ny Tompo

Ireo kalesy afon’ny Tompo

Sary
miaramila manodidina ny tanàna

Tsy tia ny Isiraelita ny Syriana. Naniraka ny miaramilany hisambotra an’i Elisa mpaminany ny mpanjakan’i Syria. Nony alina dia nanodidina ilay tanàna nisy an’i Elisa ilay tafika.

2 Mpanjaka 6:8–14

Sary
Elisa sy ny mpanompony mitazana ny miaramila Syriana

Nifoha ilay mpanompon’i Elisa dia nahita ny tafika Syriana. Nanontaniany an’i Elisa ny zavatra tokony hataon’izy ireo izy. Niteny an’ilay tovolahy mba tsy hatahotra i Elisa. Nilaza izy fa betsaka lavitra noho ilay tafika niady tamin’izy ireo ny tafika niady ho azy ireo.

2 Mpanjaka 6:15–16

Sary
tafiky ny lanitra mitaingina kalesy afo

Nangataka ny Tompo i Elisa mba hampiseho amin’ilay tovolahy ny zavatra hitan’i Elisa. Nampiseho azy tafiky ny lanitra niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy afo mba hiaro azy ireo ny Tompo. Jambena tamin’ny herin’ Andriamanitra ny mason’ireo miaramila Syriana. Tsy niady tamin’ny Isiraelita intsony izy ireo.

2 Mpanjaka 6:17–23