Scripture Stories
Jakoba sy ny fianakaviany


“Jakoba sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Jakoba sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 27–33

Jakoba sy ny fianakaviany

Ny fomba hihazonan’ny Tompo ny fampanantenany

Sary
Jakoba mandeha miaraka amin’ny boriky

Nandao ny tranony i Jakoba nandositra an’i Esao izay tezitra. Nitsodrano an’i Jakoba ny rainy mba hahita sy hanambady vehivavy tia ny Tompo sy mitandrina ny didiny.

Genesisy 27:42–46; 28:1–5

Sary
Jesoa Kristy miseho amin’i Jakoba

Raha nandeha i Jakoba dia namangy azy tao anaty fahitana ny Tompo. Nampanantena Izy ny hiaraka amin’i Jakoba mandrakariva. Nampanantena ny Tompo i Jakoba ny hanome ny ampahafolon’izay rehetra ananany.

Genesisy 28:10–16, 20–22

Sary
Jesoa Kristy miresaka amin’i Jakoba

Nampanantena an’i Jakoba ny Tompo fa hanan-janaka maro izy. Amin’ny alalan’ireo zanak’i Jakoba dia ho voatahy ny fianakaviamben’izao tontolo izao hahafantatra ny Mpamonjy. Ny fianakavian’i Jakoba amin’ny andro farany dia antsoina hoe ny mpianakavin’i Isiraely.

Genesisy 28:3–4, 14; 1 Nefia 10:14

Sary
Jakoba sy Rahely

Nandeha tany amin’ny tany iray antsoina hoe Harana i Jakoba. Tany izy dia raiki-pitia tamina vehivavy marina iray antsoina hoe Rahely.

Genesisy 27:43; 29:9–20

Sary
Jakoba miasa eny an-tsaha

Nanaiky ny hiasa nandritra ny fito taona ho an’i Labana rain-dRahely i Jakoba raha toa ka hamela ny zanany hanambady azy izy. Nanaiky i Labana. Niasa nandritra ny fito taona i Jakoba.

Genesisy 29:21–27

Sary
Jakoba, Rahely ary i Lea

Saingy i Lea vavimatoan’i Labana no tiany hanambady voalohany. Nandritra ny fanambadiana dia nofitahin’i Labana i Jakoba ka nampanambadiany an’i Lea. Saingy Rahely no tian’i Jakoba. Nampanantena ny hiasa mandritra fito taona fanampiny indray izy raha mbola afaka manambady azy. Nanaiky i Labana, dia nanomboka nitombo ny fianakavian’i Jakoba.

Genesisy 29:28–35; 30:3–13, 17–24; Jakôba 2:27–30

Sary
i Jakoba mandeha miaraka amin’ny fianakaviana

Tsy nanefa ara-drariny an’i Jakoba i Labana. Saingy nitahy an’i Jakoba ny Tompo ka nanome azy biby maro be ary nilaza tamin’i Jakoba Izy hiverina hody.

Genesisy 30:31, 43; 31:1–7, 17–18

Sary
Jakôba

Teny an-dalana hody dia naheno i Jakoba fa tonga hitsena azy i Esao rahalahiny sy ny lehilahy 400.

Genesisy 32:3–6

Sary
Jakoba miafina ny fianakaviana

Nieritreritra i Jakoba fa mbola tezitra taminy i Esao. Natahotra ny amin’izay mety hahazo ny fianakviany i Jakoba, koa nentiny amin’ny toerana iray azo antoka izy ireo ary nivavaka.

Genesisy 32:7–24

Sary
Jesoa Kristy miresaka amin’i Jakoba

Nivavaka nandritra ny alina manontolo hatramin’ny maraina i Jakoba. Nitsidika an’i Jakoba ny Tompo ary nitahy azy. Nilaza tamin’i Jakoba ny Tompo fa ho mpitarika ny maro izy. Novain’ny Tompo ho Isiraely ny anaran’i Jakoba.

Genesisy 32:24–30

Sary
Esao mihaona amin’i Jakoba

Tsy ela dia nahita an’i Jakoba i Esao sy ireo lehilahy niaraka taminy. Tsy tezitra tamin’i Jakoba intsony i Esao. Nihazakazaka nitsena an’i Jakoba izy ary namihina azy. Tena faly izy nahita azy sy nihaona tamin’ny fianakaviany. Faly ihany koa i Jakoba nahita an’i Esao indray.

Genesisy 33:1–7

Sary
Jakoba sy Esao mijery fianakaviana

Nitazona ny fampanantenany tamin’i Jakoba ny Tompo nandritra ny fiainany. Tonga tao an-trano niaraka tamin’ny fianakaviany i Jakoba ary nipetraka teo. Nanomboka teo dia natsoina hoe Isiraely i Jakoba, ary ny fianakaviany dia nantsoina hoe Isiraelita. Nanohy nitandrina ireo didy sy nanompo ny Tompo hatrany izy.

Genesisy 33:17–20