Scripture Stories
Estera Mpanjakavavy


“Estera Mpanjakavavy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Estera Mpanjakavavy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Estera 2–5; 7–9

Estera Mpanjakavavy

Sahy ao anatin’ny fotoana isian’ny loza

Sary
Estera ao amin’ny lapan’ny mpanjaka

Ny sasany tamin’ireo Isiraelita dia nantsoina hoe Jiosy. I Estera dia Jiosy izay nipetraka tany Persia. Maty ny ray aman-dreniny, ka i Mordekay havany no nikarakara azy. Nasaina tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izy niaraka tamin’ny zatovovavy hafa tao amin’ny fanjakana. Nila mpanjakavavy vaovao ilay mpanjaka.

Estera 2:2–7, 16–17

Sary
olona miankohoka amin’i Hamana

Nanana mpanompo nantsoina hoe Hamana ilay mpanjaka izay nanana hery lehibe. Nanampy ny mpanjaka hitondra ny tany i Hamana. Nasain’ny mpanjaka hiankohoka amin’i Hamana ny olona rehetra.

Estera 3:1–2

Sary
Mordekay sy Hamana

Fa i Mordekay dia tsy nanaiky niankohoka tamin’i Hamana. Ny Tompo ihany no hiankohofan’i Mordekay. Nampahatezitra an’i Hamana izany. Naniry ny hanafay an’i Mordekay sy ireo Jiosy rehetra izy.

Eksodosy 20:5; Estera 3:5–6, 8

Sary
miaramila manao filazana amin’ny vondron’olona

Nilaza tamin’ny mpanjaka i Hamana fa tsy nanaraka ny lalàn’ny mpanjaka ireo Jiosy. Koa dia navelan’ny mpanjaka hamoaka lalàna vaovao i Hamana: misy andro ireo Jiosy rehetra dia hovonoina.

Estera 3:8–11, 13

Sary
Mordekay miresaka amin’i Estera

Nangataka an’i Estera i Mordekay mba hiresaka amin’ny mpanjaka. Afaka nanova ny lalàn’i Hamana ny mpanjaka ary hanavotra ny Jiosy. Saingy natahotra i Estera. Indraindray ny mpanjaka dia mamono ny olona izay tonga miresaka aminy ka tsy nahazo fanasana.

Estera 4:5–11

Sary
Estera mijery ny vahoaka

Nangataka an’i Estera mba hieritreritra ny Jiosy izay hovonoina i Mordekay. Nilaza i Mordekay fa mety napetraky ny Tompo tao amin’ny lapan’ny mpanjaka mihitsy i Estera mba hanavotra ny Jiosy.

Estera 4:13–14

Sary
I Estera mivavaka

Fantatr’i Estera fa tsy maintsy miresaka amin’ny mpanjaka izy, na dia midika aza izany fa ho faty izy. Nangataka ny Jiosy sy ny mpanompony rehetra i Estera mba hiaraka hifady hanina aminy.

Estera 4:15–16

Sary
Estera mijery varavarana

Rehefa avy nifady hanina nandritra ny telo andro dia niomana i Estera hahita ny mpanjaka.

Estera 5:1

Sary
Estera miankohoka amin’ny mpanjaka

Rehefa nanatona an’ilay mpanjaka izy dia naninjitra ny tehiny izy. Nidika izany fa faly ny mpanjaka nahita azy ka tsy hamono azy. Nanontaniany azy ny zavatra nilainy. Nilaza tamin’ny mpanjaka i Estera fa tandindomin-doza ny vahoakany. Noho ny lalàn’i Hamana dia hovonoina izy sy ny Jiosy rehetra tao amin’ny fanjakana.

Estera 5:2–3; 7:4–6

Sary
miaramila manao filazana amin’olona

Tezitra tamin’i Hamana ny mpanjaka ka nampamono azy. Nanao lalàna vaovao ny mpanjaka izay niaro ny Jiosy. Izao izy ireo dia afaka miaro tena raha misy olona manandrana mandratra azy ireo.

Estera 7:9–10; 8:10–11

Sary
Estera

Nanavotra ny vahoakany ny finoan’i Estera ny Tompo sy ny herim-pony hiresaka tamin’ny mpanjaka. Tsy nisy fahafatesana sy alahelo, fa firavoravoana. Nankalaza izany ny Jiosy.

Estera 8:16–17; 9:18–32