Scripture Stories
Toko 1: Ny fomba nahazoantsika ny Bokin’i Môrmôna


Toko 1

Ny fomba nahazoantsika ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Josefa mijery fiangonana

Tamin’i Joseph Smith feno 14 taona dia maro be ireo fiangonana nilaza ny tenany ho marina ka tsy fantany hoe iza no tokony hidirany ho mpikambana.

Sary
Joseph Smith mamaky Baiboly

Indray andro i Joseph dia namaky toy izao tao amin’ny Jakoba 1:5 ao amin’ny Baiboly: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.” I Joseph dia nila nahafantatra hoe iza no fiangonana marina ka nanapa-kevitra izy ny hanontany an’ Andriamanitra.

Sary
Joseph tany an’ala

Indray marainan’ny lohataona i Joseph dia nandeha tany amin’ny ala teo akaikin’ny tranony mba hivavaka.

Sary
Joseph mivavaka

Rehefa nandohalika izy ka nanomboka nivavaka dia niezaka ny nanakana azy i Satana. Nivavaka mafy kokoa i Joseph nangataka ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny andrim-pahazavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanondro an’i Jesoa ny Ray any An-danitra sady niteny hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

Sary
Jesoa

Nanontany i Joseph hoe iza no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nolazain’i Jesoa taminy fa tsy misy amin’izy ireo tokony hilatsahany ho mpikambana satria diso avokoa izy rehetra.

Sary
Olona mihomehy an’i Joseph

Rehefa nolazain’i Joseph tamin’ny olona sasantsasany ny zavatra hitany sy reny, dia nihomehezan’izy ireo izy. Nanenjika azy ireo mpitarika tamin’ireo fiangonana maro teo an-toerana.

Sary
Joseph mivavaka

Lasa ny telo taona. Indray alina i Joseph dia nivavaka mba ho voavela ny fahotany sy mba hahafantatra ny tokony hataony.

Sary
i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Nisy anjely iray nantsoina hoe i Môrônia niseho taminy ary nilaza tamin’i Joseph mikasika ny boky iray izay nosoratana teo amin’ny takela-bolamena. I Joseph dia nandika ireo takelaka ireo tamin’ny teny anglisy.

Sary
i Joseph eo ambonin’ny fandriana

Rehefa lasa i Môrônia dia nieritreritra momba ny zavatra nolazain’i Môrônia azy i Joseph. Niverina indroa i Môrônia tamin’io alina io.

Sary
i Joseph manainga vato

Ny andro manarak’io i Joseph dia nandeha teny an-tampon’ny Havoan’i Komôrà izay hitany tao anaty fahitana. Teo no nahitany vato be iray. Ningainy tamin’ny rantsa-kazo ilay vato.

Sary
i Joseph mijery ireo takela-bolamena

Tao ambanin’ilay vato dia nisy boaty vita tamin’ny vato iray. Rehefa nijery ny tao anatin’ilay boaty i Joseph dia hitany ireo takela-bolamena.

Sary
i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Niseho tamin’i Joseph i Môrônia ary nilaza taminy mba tsy haka ireo takela-bolamena fa hiverina eo amin’ny andro mitovy isan-taona mandritra efa-taona. Isaky ny nandeha tany i Joseph dia nampianarin’i Môrônia izy.

Sary
i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Rehefa afaka efa-taona dia navela haka ireo takela-bolamena i Joseph tamin’ny farany. Nampiasa ny Orima sy Tomima izy mba handikana ny sasany tamin’izy ireo.

Sary
i Joseph miaraka amin’ny mpitan-tsoratra

Nisy mpitan-tsoratra (maro) nanampy an’i Joseph tamin’ny fanoratana ireo teny rehefa nandika ireny avy tamin’ireo takela-bolamena izy.

Sary
i Joseph sy ny mpanao printy

Nentin’i Joseph tany amin’ny mpanao printy iray ireo teny voadika ary nasainy natao ho lasa boky iray.

History of the Church 1:71

Sary
Bokin’i Môrmôna

Nantsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna ilay boky. Mitantara mikasika ana olona niaina tao amerika taon-dasa maro ilay izy. Izany ihany koa dia mitantara momba an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra.