Scripture Stories
Toko 4: Ireo takela-barahina


Fizarana 4

Ireo takela-barahina

Sary
miresaka amin’i Nefia i Lehia

Niteny tamin’i Nefia i Lehia fa ny Tompo dia nila azy sy ireo rahalahiny mba hiverina hankany Jerosalema. Mila maka ireo takela-barahina any amin’ny lehilahy iray atao hoe Labàna izy ireo.

Sary
takela-barahina

Rakitsoratra tena nanan-danja ireo takela-barahina. Izy ireny dia nilaza momba ny razamben’i Lehia sy ny tenin’ Andriamanitra izay nambara tamin’ny alalan’ireo mpaminany.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela

Tsy te hiverina haka ny takela-barahina i Lamàna sy i Lemoela. Nilaza izy ireo fa sarotra loatra ny manao izany. Tsy nanam-pinoana ny Tompo izy ireo.

Sary
miresaka amin’i Nefia i Lehia

Naniry ny hankato ny Tompo i Nefia. Fantany fa hanampy azy sy ny rahalahiny ny Tompo amin’ny fangalana ny takela-barahina any amin’i Labàna.

Sary
i Lamàana, i Lemoela, sy i Samy, ary i Nefia

Nandeha niverina tany Jerosalema i Lamàna, i Lemoela, sy i Samy, ary i Nefia mba haka ireo takela-barahina.

Sary
miresaka amin’i Labàna i Lamàna

Nandeha tany amin’i Labàna i Lamàna ary nangataka ireo takelaka taminy.

Sary
mihazakazaka i Lamàna

Tezitra i Labàna ka tsy nanaiky ny hanome ireo takela-barahina an’i Lamàna. Nikasa ny hamono an’i Lamàna i Labàna, fa saingy nandositra i Lamàna.

Sary
miresaka amin’ny rahalahiny i Lamàna

Notantarain’i Lamàna tamin’ireo rahalahiny izay zavatra nitranga. Natahotra izy ary te hilavo lefona sy hiverina any amin’ny rainy any an-tany foana.

Sary
i Nefia miresaka amin’ny rahalahiny

Nilaza i Nefia fa tsy afaka hiverina izy ireo raha tsy mitondra ny takela-barahina. Niteny tamin’ny rahalahiny izy mba hananany finoana ny Tompo bebe kokoa dia ho azon’izy ireo ireo takela-barahina.

Sary
manangona volamena

Niverina tany an-tranony tao Jerosalema i Nefia sy ny rahalahiny ary nanangona ny volamenany sy ny volafotsiny mba ho takalon’ireo takelaka.

Sary
mampiseho volamena an’i Labàna

Nasehon’izy ireo an’i Labàna ny harenany ary natolony ho takalon’ireo takelaka. Rehefa nahita ny volamena sy ny volafotsin’izy ireo i Labàna dia naniry izany ho azy irery ka noroahiny hivoaka izy ireo.

Sary
manondro i Labàna

Niteny ny olony i Labàna mba hamono ireo zanakalahin’i Lehia. Nihazakazaka nandositra sy niafina tao anaty lava-bato i Nefia sy ny rahalahiny. Notazomin’i Labàna ny volamena sy ny volafotsin’izy ireo.

Sary
mikapoka an’i Nefia sy Samy i Lamàna sy i Lemoela

Tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela. Nikapoka an’i Nefia sy i Samy tamin’ny tehina izy ireo.

Sary
anjely miseho

Nisy anjely iray niseho ary nilaza tamin’i Lamàna sy i Lemoela mba hitsahatra tsy hikapoka intsony. Niteny izy fa ho ampian’ny Tompo izy ireo haka ireo takelaka. Niteny ihany koa izy fa ho lasa mpifehy ny rahalahiny i Nefia.

Sary
i Nefia miresaka amin’ny rahalahiny

Niteny tamin’ireo rahalahiny i Nefia fa tokony hanam-pinoana amin’ny Tompo izy ireo ary tsy tokony hatahotra an’i Labàna sy ny olony. Namporisika ireo rahalahiny mba hiverina hankany Jerosalema i Nefia.

Sary
i Nefia sy ireo rahalahiny miafina

Ny alina iny ihany dia niafina tany ivelan’ny manda ny rahalahin’i Nefia raha nisoko niditra tany anatiny i Nefia. Nandeha nankany amin’ny tranon’i Labàna izy.

Sary
mamo i Labàna

Raha tonga teo akaikin’ny tranon’i Labàna i Nefia dia nahita lehilahy iray mamo izay nandry tamin’ny tany. I Labàna ilay izy.

Sary
maka ny sabatr’i Labàna i Nefia

Tazan’i Nefia ny sabatr’i Labàna ary noraisiny. Niteny tamin’i Nefia ny Fanahy Masina mba hamono an’i Labàna fa tsy te hamono azy i Nefia.

Sary
i Nefia mamono an’i Labàna

Niteny tamin’i Nefia indray ny Fanahy Masina mba hamono an’i Labàna mba hahafahany maka ireo takela-barahina. Nilain’ny ankohonan’i Lehia ireo takelaka mba hahafahan’izy ireo mianatra ny filazantsara.

Sary
manao ny fitafian’i Labàna i Nefia

Nankato ny Fanahy Masina i Nefia ary namono an’i Labàna. Avy eo dia nanaovan’i Nefia ny fitafiana sy ny fiadian’i Labàna.

Sary
i Nefia mody manao Labàna

Nandeha nankany an-tranon’i Labàna i Nefia ary nihaona tamin’i Zôrama, mpanompon’i Labàna. Nitovy endrika sy feo tamin’i Labàna mihitsy i Nefia.

Sary
i Nefia sy i Zôrama

Nasainy nalain’i Zôrama ireo takela-barahina. Noheverin’i Zôrama fa i Labàna i Nefia ka nomeny azy ireo takelaka. Nasain’i Nefia hanaraka azy i Zôrama.

Sary
i Nefia sy i Zôrama

Nahita an’i Nefia nanatona i Lamàna, sy i Lemoela ary i Samy ka natahotra izy ireo. Noheverin’izy ireo fa i Labàna izy. Nanomboka nandositra izy ireo saingy nijanona raha vao niantso azy ireo i Nefia.

Sary
i Nefia sy i Zôrama

Iny dia hitan’i Zôrama fa tsy i Labàna i Nefia, ka nanandrana ny handositra izy. Tratran’i Nefia i Zôrama ary nanome toky fa tsy hanao ratsy azy izy raha manaiky ny hanaraka an’i Nefia any an-tany foana izy.

Sary
i Zôrama sy ireo rahalahiny

Nanaiky i Zôrama. Naka an’i Zôrama sy ireo takela-barahina i Nefia sy ny rahalahiny ary niverina tany amin’i Lehia sy Sarià.

Sary
Faly i Lehia sy Sarià

Nomen’izy ireo an’i Lehia ireo takela-barahina. Faly izy sy Sarià satria tsy naninona ny zanakalahin’izy ireo. Nifaly sy nisaotra an’ Andriamanitra izy rehetra.

Sary
mamaky ho an’ireo zanakalahiny i Lehia

Novakin’i Lehia ireo takela-barahina. Nitantara momba an’i Adama sy i Eva ary ny fahariana an’izao tontolo izao izy ireny. Nirakitra ny tenin’ny mpaminany maro ireny.

Sary
i Lehia sy i Nefia

Nifaly i Lehia sy i Nefia satria nankato ny Tompo izy ireo ary afaka nahazo ireo takela-barahina.

Sary
mangorona ireo takela-barahina i Lehia

Nahoron’ny ankohonan’i Lehia ireo takela-barahina mba hoentina nanaraka azy ireo nandritra ny dian’izy ireo hahafahan’izy ireo hampianatra ny zanak’izy ireo momba ny didy izay voasoratra eo amin’ireo takelaka.