Scripture Stories
Toko 30: Manoro hevitra ireo zanany lahy i Almà


Toko 30

Manoro hevitra ireo zanany lahy i Almà

Sary
miresaka amin’ireo zanany lahy i Almà

Tsy nahafaly an’i Almà ny nahalasa ny Nefita ho ratsy fanahy. Niresaka tamin’ny zanany lahy tsirairay momba ny fiainana am-pahamarinana izy.

Sary
anjely teo amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià

Niteny tamin’i Helamàna lahimatoany i Almà fa tokony hatoky an’ Andriamanitra izy. Notantarainy taminy ny momba ny anjely izay nirahan’ Andriamanitra hilaza amin’i Almà mba tsy handrava ny Fiangonana intsony.

Sary
i Almà mijaly eo am-pandriana

Nandritry ny telo andro dia nijaly noho ny fahamelohany i Almà Avy eo dia tsaroany ny fampianaran-drainy momba an’i Jesoa ka fantany fa afaka ny ho voavela ny fahotany.

Sary
Almà

Nivavaka ho an’ny famelana ny fahotany i Almà dia nivadika ho fifaliana ny fijalian’ny fanahiny. Voavela ny helony satria nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy nibebaka izy.

Sary
i Almà mampianatra

Nanomboka tamin’izany dia nampianatra ny filazantsara tamin’ny hafa i Almà mba hahafahan’izy ireo mahatsapa ihany koa ny fifaliana izay tsapany. Nitahy an’i Almà Andriamanitra noho ny fahatokisany an’ Andriamanitra.

Sary
i Almà manome rakitsoratra an’i Helamàna

Nomen’i Almà an’i Helamàna ny rakitsoratra masina ary nandidy azy izy mba hanohy ny fanoratana ny tantaran’ny vahoakan’izy ireo.

Sary
i Almà miresaka amin’i Helamàna

Nolazain’i Almà fa raha mitandrina ny didy izy dia hotahian’ Andriamanitra sy hampiany amin’ny fiarovana ny rakitsoratra masina.

Sary
i Almà sy i Helamàna

Nandidy an’i Helamàna ihany koa i Almà mba hivavaka isa-maraina sy isan-kariva ary hiresaka amin’ Andriamanitra momba izay rehetra ataony mba hahafahan’ Andriamanitra manampy azy.

Sary
Siblôna

Faly tamin’i Siblôna zanany,izay mpitory ny filazantsara nahery tany amin’ny Zôramita, i Almà. Nitoetra ho mahatoky foana i Siblôna na dia efa notorahan’izy ireo vato aza izy.

Sary
i Almà sy i Siblôna

Nampahatsiahy an’i Siblôna i Almà fa i Jesoa Kristy ihany no làlana hahazoana famonjena. Avy eo dia namporisika ny zanany hanoy hampianatra ny filazantsara i Almà.

Sary
Kôriantôna

Tsy nitandrina ny didy i Kôriantôna zanakalahin’i Almà. Tsy nitazona ny maha-misiônera azy izy tamin’ny fampianarana ny Zôramita.

Sary
Almà

Noho ny zavatra izay nataon’i Kôriantôna dia tsy nino ny fampianaran’i Almà ny Zôramita.

Sary
i Almà sy i Kôriantôna

Nolazain’i Almà tamin’i Kôriantôna fa tsy afaka manafina ny fahotany amin’ Andriamanitra ny olombelona ary mila mibebaka i Kôriantôna.

Sary
Almà

Nampianarin’i Almà tamin’ny zanany lahy fa hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra fa ny olo-marina ihany no hiara-hiaina amin’ Andriamanitra.

Sary
i Almà sy i Kôriantôna

Izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hibebahana sy hanompoana an’ Andriamanitra, hoy i Almà.

Sary
i Almà manome rakitsoratra an’i Kôriantôna

Raha nampahatsiaro an’i Kôriantôna momba ny antsony ho misiônera i Almà dia nandidy azy izy hiverina any amin’ny Zôramita ary hampianatra ny vahoaka mba hibebaka.

Sary
i Almà sy ireo zanany lahy mampianatra

Nanohy ny fampianarana ny filazantsara i Almà sy ireo zanany lahy. Nampianatra tamin’ny herin’ny fisoronana izy ireo.