Scripture Stories
Toko 27: I Kôrihôra


Toko 27

I Kôrihôra

Sary
i Kôrihôra mandeha

Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra tonga tao Zarahemla. Tsy nino an’i Jesoa Kristy izy ary nitory fa tsy marina ny zavatra nolazain’ireo mpaminany momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Kôrihôra mampianatra vahoaka

Nolazain’i Kôrihôra ny olona fa adala izy ireo raha mino fa i Jesoa dia ho avy eto an-tany sy hijaly ho an’ny fahotan’izy ireo.

Sary
ankizilahy manota

Nilaza izy fa ny olona dia tsy afaka ny hofaizina noho ny fahotany satria tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Maro ny olona nino an’i Kôrihôra. Lasa ratsy fanahy izy ireo.

Sary
I Kôrihôra

Niezaka nitory tamin’ny vahoakan’i Amôna i Kôrihôra fa tsy nohainoin’izy ireo. Nofatoran’izy ireo izy ary nentiny tany amin’i Amôna izay nandroaka azy hiala ny tanàna.

Sary
i Kôrihôra voaroaka hiala

Nankany amin’ny tanin’i Gideôna i Kôrihôra saingy tsy nety nihaino azy koa ny olona tany. Nalefan’ny lohan’ny mpitsara tany amin’i Almà izy.

Sary
i Almà sy i Kôrihôra

Nanontanian’i Almà i Kôrihôra raha nino an’ Andriamanitra izy. Tsy nino izy hoy ny navalin’i Kôrihôra. Nijoro ho vavolombelona i Almà fa misy Andriamanitra ary ho avy i Kristy.

Sary
i Kôrihôra sy i Amôna

Tian’i Kôrihôra hanao fahagagana i Almà mba hanaporofoina fa misy Andriamanitra. Nolazain’i Kôrihôra fa hino an’ Andriamanitra izy raha mahita famantarana iray amin’ny herin’ Andriamanitra.

Sary
i Almà mihazona soratra masina

Notenenin’i Almà i Kôrihôra fa izy dia efa nahita famantarana maro ny amin’ny herin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo soratra masina sy ny tenivavolombelon’ny mpaminany rehetra.

Sary
i Almà miresaka amin’i Kôrihôra

Nanambara i Almà fa ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy ary ny fihodin’ireo planeta eny amin’ny lanitra ihany koa dia famantarana fa misy Andriamanitra.

Sary
i Kôrihôra sy i Almà

Nandà ny hino i Kôrihôra. Nalahelo i Almà noho ny faharatsian’i Kôrihôra ary nampitandrina azy fa mety ho rava ny fanahiny.

Sary
i Almà mihazona soratra masina

Nitady famantarana i Kôrihôra mba hanaporofoina fa misy Andriamanitra. Nilaza i Almà fa ny famantarana avy amin’ Andriamanitra ho an’i Kôrihôra dia ny hoe tsy ho afaka hiteny intsony.

Sary
I Kôrihôra

Rehefa avy nilaza izany Almà dia tsy afaka niteny i Kôrihôra.

Sary
i Kôrihôra manoratra eo amin’ny tany

Nosoratan’i Kôrihôra fa fantany hoe io famantarana io dia avy amin’ Andriamanitra ary efa fantany hatrizay fa misy Andriamanitra. Nangataka an’i Almà izy mba hivavaka sy hanasorana ny ozona.

Sary
i Almà miteny

Fantatr’i Almà fa raha afaka miteny i Kôrihôra dia handainga amin’ny vahoaka indray. Nilaza i Almà fa ny Tompo no hanapa-kevitra raha afahana hiteny indray i Kôrihôra.

Sary
i Kôrihôra mangataka sakafo

Tsy naverin’ny Tompo tamin’i Kôrihôra ny fahafahany miteny. Nitety trano nangataka sakafo i Kôrihôra.

Sary
ny lohan’ny mpitsara: manoratra taratasy

Nandefa taratasy manerana ny tany ny lohan’ny mpitsara milaza ny zava-nitranga tamin’i Kôrihôra. Nasainy nibebaka ireo izay nino an’i Kôrihôra. Nibebaka ny vahoaka.

Sary
i Kôrihôra maty eo amin’ny tany

Nandeha nipetraka niaraka tamin’ny Zoramita i Kôrihôra. Indray andro raha izy teo am-pangatahana iny dia voahitsakitsaka ambara-pahafatiny.