Scripture Stories
Toko 51: Nandeha ho any amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita


Toko 51

Nandeha ho any amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita

Sary
ny rahalahin’i Jareda sy ny rahona

Nandritra ny nitoeran’ny Jaredita teo amoron-dranomasina dia nanadino ny nivavaka ny rahalahin’i Jareda. Tonga tao amin’ny rahona ny Tompo mba hilaza azy mba hivavaka.

Sary
rahalahin’ i Jareda mivavaka

Nibebaka ny rahalahin’i Jareda ary nivavaka. Navelan’ny Tompo ny heloky ny rahalahin’i Jareda saingy nilaza ny Tompo fa tsy tokony hanota intsony ny rahalahin’i Jareda.

Sary
rahalahin’ i Jareda mivavaka

Nasain’ny Tompo nanamboatra sambo mba hitondrana ny vahoakany ho any amin’ny tany nampanantenaina ny rahalahin’i Jareda.

Sary
miresaka amin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda

Natoron’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda ny fomba hanamboarana ireo sambo.

Sary
Jaredita manamboatra sambo

Natao tery tsy tafiditry ny rivotraireo sambo mba tsy ahafahan’ny rano miditra ao anatin’izy ireo.

Sary
rahalahin’i Jarèda miresaka amin’ny Tompo

Nanontany tena ny rahalahin’i Jareda hoe amin’ny fomba ahoana ary no hahafahan’izy ireo miaina ao anatin’ireo sambo. Nanontany ny Tompo izy hoe inona no tokony hataony.

Sary
rahalahin’ i Jareda manarona lavaka

Nasain’ny Tompo izy mba hanao lavaka eo amin’ny tampony sy any amin’ny farany ambanin’ny sambo tsirairay. Azo sokafana ny lavaka mba hisian’ny rivotra miditra ary idina avy eo mba tsy hidiran’ny rano.

Sary
rahalahin’i Jareda miresaka amin’ny Tompo

Niteny tamin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda hoe maizina ny ao anatin’ireo sambo. Nasain’ny Tompo izy mba hieritreritra ny fomba hahafahany manana hazavana ao anatin’ireo sambo.

Sary
rahalahin’i Jarèda mihaino ny Tompo

Tsy azo atao ny manao afo na manokatra varavaran-kely mba hahazoana hazavana ao amin’ireo sambo satria ho simba izy ireo.

Sary
rahalahin’ i Jareda manamboatra vato fotsy mazava tahaka ny fitaratra mangarahara

Nankany amin’ny tendrombohitra iray ny rahalahin’i Jareda ary nanamboatra vato kely 16 avy amin’ny vatolampy iray. Ohatra ny fitaratra mangarahara ireo vato. Nanamboatra vato roa izy ho an’ny tsirairay avy amin’ireo sambo valo.

Sary
rahalahin’ i Jareda mihanika tendrombohitra

Nentin’ny rahalahin’i Jareda nankeny an-tampon-tendrombohitra iray ireo vato. Teny no nivavahany tamin’ny Tompo.

Sary
rahalahin’ i Jareda: mivavaka

Ny rahalahin’i Jareda dia nangataka ny Tompo mba hikasika ireo vato mba hitondran’izy ireo hazavana ao anatin’ireo sambo.

Sary
Kristy mikasika ny vato tsirairay

Nokasihan’ny Tompo tamin’ny rantsan-tanany ny vato tsirairay.

Sary
rahalahin’i Jareda

Noho ny finoana lehibe nananan’ny rahalahin’i Jareda dia nahita ny rantsan-tanan’ny Tompo izy. Mitovy amin’ny rantsan-tanan’olombelona ilay izy.

Sary
i Kristy sy ny rahalahin’i Jareda

Avy eo dia nampiseho ny tenany tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo.

Sary
Jesoa Kristy

Nilaza i Jesoa fa ireo olona izay mino azy dia hanana ny fiainana mandrakizay.

Sary
mampianatra ny rahalahin’ i Jareda i Jesoa

Nampianarin’i Jesoa sy nampisehoany zavatra maro ny rahalahin’ i Jareda. Nasainy nosoratany ny zavatra efa hitany sy reny.

Sary
rahalahin’ i Jareda midina avy eny an-tendrombohitra

Nentin’ny rahalahin’ i Jareda nidina ny tendrombohitra ireo vato. Nasiany vato roa avy tanaty sambo tsirairay: nasiany iray avy teny amin’ny tendrony avia sy havanana anatin’ny sambo. Nanazava ny tao anatin’ny sambon’izy ireo.

Sary
sambo eny ambony rano

Niditra tao anatin’ny sambo ireo Jaredita niaraka tamin’ny bibin’izy ireo sy ny sakafon’izy ireo. Nasian’ny Tompo rivotra mafy be nitsoka ireo sambo ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Sary
rahalahin’ i Jareda

Narovan’ny Tompo izy ireo raha tao anatin’ny ranomasina manonja be. Nisaotra ny Tompo sy nihira fiderana ho azy izy ireo.

Sary
tonga eo amin’ny tany nampanantenaina ireo sambo

Afaka 344 andro teny ambony rano dia tonga teny amin’ny moron-tsiraky ny tany nampanantenaina ireo sambo.

Sary
Jaredita mivavaka

Rehefa nivoaka ny sambo izy ireo dia nandohalika sy latsa-dranomasom-pifaliana.

Sary
ramatoa iray mitondra varimbazaha

Nanangana trano sy namboly teo amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita. Nampianarin’izy ireo hihaino sy hankató ny Tompo ireo zanak’izy ireo.