Toko 8
Ny fiampitana ny ranomasina
Nisy rivotra mafy be nitsoka ilay sambo hankany amin’ny tany nampanantenaina.
Nanomboka ho lasa ratsy fanahy i Lamàna sy i Lemoela ary ny sasany hafa. Nasain’i Nefia natsahatr’izy ireo izany dia tezitra izy ireo ka namatotra azy tamin’ny tady.
Noho ny faharatsian’izy ireo dia nitsahatra tsy nandeha ilay Liahona. Tsy hain’izy ireo hoe aiza no tokony hamiliana ny sambo. Nisy rivotra mafy be nitsoka ilay sambo hiverin-dàlana nandritra ny telo andro.
Notenenin’i Lehia i Lamàna sy i Lemoela mba hamaha ny fatoran’i Nefia fa tsy nohenoin’izy ireo. Nalahelo mafy i Lehia sy i Saria ka lasa narary.
Nitomany ny vady aman-janak’i Nefia. Nitalaho tamin’i Lamàna sy i Lemoela izy ireo mba hamaha ny fatoran’i Nefia fa nandà izy ireo.
Tamin’ny andro faha-efatra dia niharatsy ilay rivo-mahery. Mitady hilentika ny sambo.
Fantatr’i Lamàna fa Andriamanitra no nandefa ilay rivo-mahery. Natahotra ny ho maty an-drano izy ireo.
Nony farany dia nibebaka i Lamàna sy i Lemoela ka namaha ny fatoran’i Nefia. Na dia nivonto sy nanaintaina vokatr’ireo tady aza ny hato-tanana sy ny kitrokeliny dia tsy nitaraina i Nefia.
Noraisin’i Nefia ny Liahona dia nandeha indray ilay izy. Nivavaka i Nefia ary nitsahatra ny rivotra. Lasa tony ny ranomasina.
Nanamory ny sambo i Nefia ka nizotra nankany amin’ny tany nampanantenaina indray.