Scripture Stories
Toko 46: Mampianatra sy mivavaka miaraka amin’ireo Nefita i Jesoa Kristy


Toko 46

Mampianatra sy mivavaka miaraka amin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Sary
olona mandeha amin’ny alina

Ireo Nefita izay nahita an’i Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ny naman’izy ireo fa hiverina ny ampitso Izy. Be dia be ny olona izay niezaka mafy mba ho tonga amin’ny toerana hahitana an’i Jesoa.

Sary
olona mivavaka

Ny ampitso maraina dia nampianatra ny olona nivory teo i Nefia sy ireo mpianatra hafa. Avy eo dia nivavaka ny mpianatra mba hahazoan’izy ireo ny Fanahy Masina.

Sary
atao batisa ireo mpianatra

Niditra tao anaty rano i Nefia ary natao batisa. Avy eo dia nanao batisa ny mpianatra hafa izy.

Sary
anjely tonga avy any an-danitra

Rehefa vita batisa izy ireo dia nandray ny Fanahy Masina ny mpianatra. Toy ny hoe nisy afo izany nanodidina azy ireo ary nisy anjely nidina avy any an-danitra ka nanompo azy ireo.

Sary
i Jesoa miaraka amin’ny anjely

Raha mbola teo amin’ny mpianatra ny anjely dia tonga i Jesoa ka nijoro teo anivon’izy ireo.

Sary
Nefita mivavaka

Nasain’i Kristy handohalika amin’ny tany ny Nefita rehetra. Nasainy nivavaka ireo mpianany.

Sary
i Jesoa mivavaka

Raha nivavaka izy ireo dia nisitaka kely tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nandohalika sy nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra.

Sary
i Jesoa mivavaka

Nisaotra ny Ray any Ann-danitra i Jesoa noho ny anomezany ny Fanahy Masina an’ireo mpianany. Avy eo Izy dia nangataka ny Fanahy Masina mba hirotsaka amin’ny rehetra izay mino ny tenin’ireo mpianatra.

Sary
i Jesoa mitsodrano ireo mpianatra

Nitsodrano ny mpianany i Jesoa raha mbola nivavaka izy ireo. Nitsiky tamin’izy ireo Izy ary lasa fotsy toy ny tarehiny sy ny akanjony izy ireo.

Sary
i Jesoa mivavaka miaraka amin’ireo mpianany

Nivavaka indray ho an’ny mpianany i Jesoa. Faly Izy noho ny finoana lehibe izay nananan’izy ireo.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny vahoaka

Niteny tamin’ny vahoaka mba tsy hivavaka intsony i Jesoa fa hanohy mivavaka ao am-pon’izy ireo. Avy eo dia nomeny ny fanasan’ny Tompo izy ireo.

Sary
i Jesoa mitsodrano ny mofo

Tsy nisy nitondra mofo na divay kanefa nisy ihany noho ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy.

Sary
i Joseph Smith mitazona soratra masina

Nolazain’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita fa haverina eto antany indray amin’ny andro farany ny filazantsarany.

Sary
i Kristy miresaka amin’i Nefia

Nolazainy fa tokony hianatra ny soratra masina izy ireo ary nasainy nosoratan’i Nefia tao amin’ireo rakitsoratra ny fahatanterahan’ny faminaniana hafa nataon’i Samoela Lamanita.

Sary
i Jesoa mampianatra avy ao amin’ny soratra masina

Avy eo dia nampianatra ny vahoaka tamin’ny alalan’ny soratra masina i Jesoa. Nolazainy fa tokony hifampianatra izay zavatra nampianariny azy ireo izy ireo.

Sary
i Nefia manao batisa

Niakatra tany an-danitra indray i Jesoa ary nampianatra ny vahoaka ny mpianany. Ireo izay nino dia natao batisa ary nandray ny Fanahy Masina.

Sary
Nefita mitondra voatavo

Nanomboka nankato ny didy rehetra ny Nefita.