Scripture Stories
Teny fanolorana


Teny fanolorana

Ho an’ny mpamaky

Ireto tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto dia nosoratana manokana ho anao. Ireo tantara dia nalaina avy tamin’ny boky iray izay masina amin’ny maha-avy amin’ny Ray any An-danitra azy. Rehefa mamaky ireto tantara ireto ianao, dia tsarovy fa mikasika ny olona tena nisy izy ireo, izay niaina tany aloha be tany tao Amerika.

Rehefa avy mamaky ireo tantara ao amin’ity boky ity ianao dia mety ho tianao ihany koa ny hamaky azy ireo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eo ambanin’ireo sary tsirairay dia hahitanao hoe aiza no ahitana izany tantara izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny rainao, na ny reninao na ny mpampianatra anao, na ny namanao mba hanampy anao.

Raha toa ka misy teny izay tsy fantatrao ny dikany, dia jereo ao amin’ny fizarana hoe “Ireo teny tsara ho fantatra” any amin’ny faran’ity boky ity izany. Ny fampahalalana momba ireo olona sy ireo toerana voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hita ihany koa any amin’ny faran’ny boky.

Ho an’ireo ray aman-dreny sy ny mpampianatra

Ity boky ity dia hanampy anao hampianatra ny soratra masina. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ary amporisiho ireo izay ampianarina mba hikatsaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Hitombo ny fahatakaran’izy ireo rehefa vakianao amin’izy ireo ny lahatsoratra feno an’ireo tantara tian’izy ireo indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.