Scripture Stories
Toko 38: Ny famonoana ny lohan’ny mpitsara


Toko 38

Ny famonoana ny lohan’ny mpitsara

Sary
olon-dratsy Nefita miresaka

Nisy olon-dratsy maro lasa mpitsara ny Nefita. Nosazian’izy ireo ny olo-marina fa tsy ny olon-dratsy.

Sary
i Nefia

Nalahelo noho ny faharatsiana be hitany teo anivon’ny Nefita i Nefia.

Sary
Lalana mankany Zarahemlà

Indray andro dia nivavaka teo amin’ny tilikambo teo an-jaridainany izy. Teo amoron’arabe mankany amin’ny tsena ao Zarahemlà no nisy ny zaridainany.

Sary
i Nefia mivavaka

Naheno an’i Nefia nivavaka ny mpandalo teo amin’ny arabe. Nisy olona maro nivory teo nanontany izay antony mampalahelo azy.

Sary
i Nefia miresaka amin’olona

Rehefa nahita ireo olona i Nefia dia nolazainy fa ny faharatsian’izy ireo no nampalahelo azy. Nasainy nibebaka izy ireo.

Sary
Nefita mihaino an’i Nefia

Nampitandrina azy ireo izy fa raha tsy mibebaka izy ireo dia halain’ny fahavalon’izy ireo ny tranon’izy ireo sy ny tanànan’izy ireo ary tsy hanampy azy ireo hiady amin’ny fahavalon’izy ireo ny Tompo.

Sary
i Nefia miresaka

Nolazain’i Nefia fa ratsy kokoa noho ny Lamanita ny Nefita satria efa nampianarina ny Nefita ny didin’ Andriamanitra nefa tsy mitandrina izany izy ireo.

Sary
i Nefia miresaka

Nolazainy fa raha tsy mibebaka ny Nefita dia horavana izy ireo.

Sary
olona tezitra

Nisy sasany tamin’ireo mpitsara ratsy fanahy teo. Namporisihan’izy ireo ny olona hanasazy an’i Nefia noho ny teny nataony izay manohitra azy ireo sy ny lalàn’ izy ireo.

Sary
olona mifamaly

Nitovy hevitra tamin’ireo mpitsara ratsy fanahy ny sasany tamin’ny olona. Nisy hafa kosa nino an’i Nefia. Fantatr’izy ireo fa mpaminany izy ary niteny ny marina.

Sary
i Nefia miresaka

Nolazain’i Nefia fa nikomy tamin’ Andriamanitra izy ireo ary tsy ho ela dia hosaziana raha tsy mibebaka.

Sary
manondro i Nefia

Niteny tamin’ny olona i Nefia mba handehanany hitady ny lohan’ny mpitsaran’izy ireo. Ho mandry eo amin’ny ràny ihany izy satrianovonoin’ilay rahalahy izay nikatsaka ny hahazo ny toerany.

Sary
olona mihazakazaka

Dimy lahy tamin’ny olona nivory teo no nandeha nijery ny lohan’ny mpitsara. Tsy nino izy ireo fa mpaminan’ Andriamanitra i Nefia.

Sary
maty ny lohan’ny mpitsara

Raha nahita an’i Sezôrama lohan’ny mpitsara maty izy ireo dia lavo tamin’ny tany noho ny tahotr’izy ireo. Fantatr’izy ireo tamin’izay fa mpaminany i Nefia.

Sary
olona manondro

Nisy mpanompon’i Sezôrama izay efa nahita azy ka nihazakazaka niteny tamin’ny vahoaka. Niverina izy ireo ka nahita ny dimy lahy nandry teo.

Sary
olona tezitra

Noheverin’ny vahoaka fa ireo dimy lahy ireo no namono an’i Sezôrama.

Sary
lehilahy miresaka

Nampidirin’izy ireo tany am-ponja izy dimy lahy ary nandefa filazana manerana ny tanàna izy ireo fa nisy namono ny lohan’ny mpitsara ary voafonja ireo mpamono olona.

Sary
lehilahy miresaka

Ny ampitso dia nandeha tany amin’ny toerana handevenana ny lohan’ny mpitsara ny vahoaka. Nanontanian’ireo mpitsara izay tao amin’ny zaridainan’i Nefia izay nalehan’ireo dimy lahy.

Sary
mpitsara miresaka

Nangataka ny hahita ny voampanga ho mpamono olona ireo mpitsara.

Sary
lehilahy eo anoloan’ny mpitsara

Ireo voampanga ho mpamono olona dia ireo dimy lahy izay nihazakazaka avy teo amin’ny zaridainan’i Nefia hijery ny lohan’ny mpitsara.

Sary
lehilahy eo anoloan’ny lohan’ny mpitsara

Nolazain’izy dimy lahy fa nahita ny lohan’ny mpitsara maty araky ny nolazain’i Nefia izy ireo. Avy eo dia nolazain’ireo mpitsara fa i Nefia no naniraka olona hamono an’i Sezôrama.

Sary
lehilahy dimy voafatotra

Satria fantatr’izy ireo fa mpaminany i Nefia dia niady hevitra tamin’ny mpitsara izy dimy lahy nefa tsy nihaino azy ireo izy ireo. Nofatoran’izy ireo i Nefia.

Sary
mpitsara miresaka amin’i Nefia

Nanolotra vola an’i Nefia sy nampanantena ny hitsimbina ny ain’i Nefia ireo mpitsara raha toa ka hiteny izy fa izy no namolavola tetika namonoana ny lohan’ny mpitsara.

Sary
mifatotra i Nefia

Nasain’i Nefia nibebaka ireo mpitsara ny amin’ny faharatsian’izy ireo. Avy eo dia nolazainy fa tokony handeha ho any amin’i Seantoma rahalahin’i Sezôrama izy ireo.

Sary
mpitsara miresaka amin’i Seantoma

Nolazain’i Nefia fa tokony hanontany an’i Seantoma izy ireo raha toa ka niara-nitetika ny hamono an’i Sezôrama izy sy i Nefia. Nolazain’i Nefia fa hamaly hoe “tsia” i Seantoma.

Sary
lehilahy mandray ny lamban’i Seantoma

Avy eo dia tokony hanontanian’ireo mpitsara raha toa ka namono ny rahalahiny i Seantoma. Hamaly hoe “tsia” indray i Seantoma saingy hahita rà amin’ny akanjony ireo mpitsara.

Sary
Seantoma

Nolazain’i Nefia fa hangovitra sy hivaloarika i Seantoma ary farany dia hiaiky fa namono ny rahalahiny izy.

Sary
nentina i Seantoma

Nandeha tany an-tranon’i Seantoma ireo mpitsara ka nitranga araka ny nolazain’i Nefia ny zava-drehetra. Navotsitra i Nefia sy ireo dimy lahy.

Sary
i Nefia

Raha nandeha niala an’i Nefia ny vahoaka dia nisy nilaza fa mpaminany izy. Ny hafa dia nilaza fa andriamanitra izy. Nody tany an-tranony i Nefia ary mbola nalahelo noho ny faharatsian’izy ireo.