Scripture Stories
Toko 41: Ireo fambara ny amin’ny fahaterahan’i Kristy


Toko 41

Ireo fambara ny amin’ny fahaterahan’i Kristy

Sary
i Nefia manome ireo takelaka ny zanakalahiny

I Nefia, zanakalahin’i Helamàna, dia nanome ireo rakitsoratra masina sy ireo soratra masina an’i Nefia lahimatoany.

Sary
olona miresaka

I Nefia dia nahita ireo fambara mahatalanjona sy fahagagana nambaran’ireo mpaminany fa hitranga mialoha ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

Sary
lehilahy mitsiky

Saingy nilaza ny Nefita sasany fa efa lasa ny fotoana tokony hahaterahan’i Jesoa. Nesoin’izy ireo ireo izay mbola nino ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita.

Sary
lehilahy maro mihaino ny lahy antitra iray

Ireo olona nino an’i Jesoa Kristy sy ireo faminaniana dia nalahelo raha nihevitra fa mety ho nisy zavatra nanakana ireo faminaniana tsy ho tanteraka.

Sary
fianakaviana mijery ambony

Niandry tamim-pahatokiana ny andro iray tsy misy haizina ny olona; izany no fambara fa ho teraka i Jesoa Kristy.

Sary
lehilahy mitsikombakomba

Ireo izay tsy nino an’i Jesoa Kristy dia nisafidy andro iray hamonoana ireo mpino raha toa ka tsy mitranga ilay fambara.

Sary
i Nefia

Nalahelo i Nefia noho ny faharatsian’ireo izay tsy nino ny Mpamonjy.

Sary
i Nefia mivavaka

Nivavaka nandritra ny manontolo andro ho an’ireo olona izay hovonoina i Nefia.

Sary
i Nefia

Nampionona an’i Nefia ny Tompo sady nolaiziny azy fa tsy hisy haizina iny alin’iny. Ho teraka ny ampitson’io ao Betlehema i Jesoa Kristy.

Sary
fianakaviana mijery ny filentehan’ny masoandro

Tamin’io alina io dia nody ny masoandro saingy tsy maizina ny andro. Tonga ilay fambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Talanjona ny vahoaka.

Sary
olona ratsy fanahy mianjera amin’ny tany

Ireo izay nanao tetika mba hamono ireo mpino dia nianjera tamin’ny tany; toy ireny hoe maty ireny.

Sary
lehilahy roa

Natahotra izy ireo noho ny haratsiam-panahy nataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo izao fa ho teraka ny Mpamonjy ary marina ny nambaran’ireo mpaminany.

Sary
miaramila eny an-tsaha

Nazava ny alina manontolo. Rehefa niposaka ny masoandro ny marainan’iny dia fantatry ny olona fa teraka tamin’io andro io i Jesoa Kristy. Tanteraka ireo faminaniana.

Sary
lehilahy nahita kintana vaovao

Nisy kintana iray vaovao nipoitra teny amin’ny lanitra tahaka ny nilazan’ireo mpaminany azy mihitsy.

Sary
vehivavy sy lehilahy mijery ambony

Niezaka ny nandresy lahatra ny olona tsy hino ireo fambara efa hitany i Satana saingy maro tamin’izy ireo no nino.

Sary
i Nefia manao batisa lehilahy iray

I Nefia sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia nanao batisa ireo rehetra nino sy nibebaka.

Sary
olona ao an-tanàn-dehibe

Nisy vaovao mahafaly teo amin’ny tany satria tanteraka ireo tenin’ireo mpaminany. Efa teraka i Jesoa Kristy.