Scripture Stories
Lesona 39: Mandray hery lehibe i Nefia


Toko 39

Mandray hery lehibe i Nefia

Sary
mieritreritra i Nefia

Nandeha nankany an-tranony i Nefia ary nieritreritra momba izay nasehon’ Andriamanitra taminy sy ny faharatsian’ireo Nefita. Nalahelo noho ny faharatsian’izy ireo izy.

Sary
i Nefia mivavaka

Niteny tamin’i Nefia ny Tompo ary nidera azy noho ny fankatoavany sy ny asany mafy amin’ny fitoriana ny filazantsara.

Sary
i Nefia

Nahazo ny fahefana hanao na inona na inona i Nefia. Fantatry ny Tompo fa hampiasa izany fahefana izany am-pahamarinana izy.

Sary
mandeha an-tongotra i Nefia

Naniraka an’i Nefia ny Tompo hampitandrina ny Nefita fa raha tsy mibebaka izy ireo dia hofongorana. Tonga dia nandeha nampitandrina ny vahoaka i Nefia.

Sary
Nefita manafika an’i Nefia

Tsy nino an’i Nefia ny Nefita. Saika nampidirin’izy ireo am-ponja izy saingy niaro azy ny herin’ Andriamanitra.

Sary
lasa nandao i Nefia

Nanambara ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny Nefita rehetra i Nefia.

Sary
olona miady

Nefa vao mainka niharatsy bebe kokoa ny vahoaka ary nanomboka niady izy samy izy.

Sary
i Nefia mivavaka

Nivavaka mba hisian’ny mosary i Nefia ka nanantena fa hahatonga ny Nefita hanetry tena sy hanampy azy ireo hibebaka ny tsy fisian-tsakafo.

Sary
olona eny an-tany maina

Tonga ny mosary. Nitsahatra ny orana ka lasa maina ny tanim-boly ary tsy naniry ny voly. Nijanona niady ny vahoaka.

Sary
mpianakavy mivavaka

Noana ny Nefita ary maro no maty tamin’izy ireo. Ireo izay mbola velona dia nanomboka nahatsiaro ny Tompo sy ny fampianaran’i Nefia azy ireo.

Sary
olona miresaka amin’ireo mpitsara

Nibebaka noho ny fahotan’izy ireo ny vahoaka ary avy eo dia niangavy tamin’ny mpitsarany izy ireo mba hangataka an’i Nefia hanala ny mosary. Nandeha tany amin’i Nefia ireo mpitsara.

Sary
i Nefia mivavaka

Rehefa hitan’i Nefia fa nanetry tena sy nibebaka ny vahoaka dia nangataka tamin’ny Tompo izy mba hanajanona ny mosary.

Sary
olona tratry ny orana

Namaly ny vavak’i Nefia ny Tompo ka nanomboka avy ny orana. Vetivety foana dia naniry indray ny voly. Nanome voninahitra an’ Andriamanitra ny vahoaka ary fantatr’izy ireo fa mpaminany lehibe i Nefia.

Sary
Nefita miasa

Lasa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ny Nefita. Lasa mpanan-karena izy ireo ary niroborobo ny tanànan’izy ireo. Nisy fandriampahalemana tao amin’ny tany.

Sary
Lamanita manafika Nefita

Avy eo dia notafihan’ireoNefita sasany izay nikambana tamin’ny Lamanita teo aloha ny Nefita.

Sary
mpiady

Niezaka nandresy ny fahavalon’izy ireo izay lasa jirik’i Gadiantôna ny Nefita, saingy tsy nandresy izy ireo satria lasa ratsy fanahy indray izy ireo.

Sary
Nefita mitondra arona

Rehefa marina ny Nefita dia notahian’ny Tompo izy ireo. Rehefa nirehareha sy nanadino ny Tompo izy ireo dia nomeny olana mba hahafahan’izy ireo mahatsiaro Azy.