Scripture Stories
Toko 44: Mitsodrano ireo ankizy i Jesoa


Toko 44

mitsodrano ireo ankizy i Jesoa

Sary
i Kristy miaraka amin’ny ankizy

Nasain’i Jesoa Kristy nentin’ny Nefita teo aminy ny zaza madinik’izy ireo. Nipetraka tamin’ny tany teo akaikin’i Jesoa ireo ankizy.

Sary
Jesoa Kristy miaraka mivavaka amin’ny ankizy

Nasain’ny Mpamonjy nandohalika ny vahoaka. Avy eo Izy dia nandohalika nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra.

Sary
olona mitsiky

Mahatalanjona loatra ny vavaka nataon’ny Mpamonjy ka tsy hay nosoratana. Nameno fifaliana ny Nefita izany.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny vahoaka

Taorian’ny vavaka nataony dia nilaza tamin’ny Nefita i Jesoa hoe hotahiana izy ireo noho ny finoan’izy ireo.

Sary
i Jesoa

Nahatsapa fitiavana sy hasambarana lehibe tokoa izy ka nitomany.

Sary
i Jesoa mitsodrano ny ankizy

Avy eo dia noraisiny ireo ankizy ary notsofiny rano tsirairay. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra ho azy ireo izy dia nitomany indray.

Sary
i Jesoa miaraka amin’ ny ankizy

Nolazain’i Jesoa ny Nefita mba hijery ireo zaza madinik’izy ireo.

Sary
anjely manodidina ireo ankizy

Rehefa nijery ny vahoaka dia nisy anjely maro nidina avy any an-danitra ary nanodidina ireo ankizy. Voahodidina afo ireo ankizy sy ireo anjely.