Scripture Stories
Toko 25 : Mampianatra ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Aharôna


Toko 25

Mampianatra ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Aharôna

Sary
i Aharôna sy ny mpiara-mitory taminy mandeha mifindra toerana

Ny Fanahy dia nitarika an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy ho amin’ny tanin’i Nefia mba hampianatra ny rain’i Lamônia, ilay mpanjaka manerana ny tanin’ny Lamanita rehetra.

Sary
i Aharôna miresaka amin’ny mpanjaka

Nolazain’i Aharôna ny mpanjaka fa rahalahin’i Amôna izy. Nieritreritra foana ny hatsaram-panahin’i Amôna sy ny zavatra nambaran’i Amôna azy ny mpanjaka.

Sary
i Aharôna miresaka amin’ny mpanjaka

Nanontanian’i Aharôna ny mpanjaka raha nino an’ Andriamanitra izy. Nilaza ny mpanjaka fa tsy dia fantany loatra saingy hino izy raha lazain’i Aharôna hoe misy Andriamanitra. Nanome toky ny mpanjaka i Aharôna fa velona Andriamanitra.

Sary
i Aharôna mamaky ny soratra masina amin’ny mpanjaka

Namaky soratra masina tamin’ny mpanjaka i Aharôna. Nampianariny azy ny momba ny Fahariana, sy ny Fahalavoan’i Adama, ary ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy.

Sary
ny mpanjaka miresaka amin’i Aharôna

Nanontany ny mpanjaka hoe inona no zavatra mila ataony mba hahazoana mandray ny Fanahy Masina sy mba ho vonona ny hiara-hiaina amin’ Andriamanitra. Vonona ny hanao ny zava-drehetra ny mpanjaka eny na dia ny hamoy ny fanjakany aza.

Sary
i Aharôna miresaka amin’ny mpanjaka

Nilaza tamin’ny mpanjaka i Aharôna fa mila mibebaka tanteraka amin’ny fahotany izy. Mila mivavaka sy manam-pinoana an’ Andriamanitra izy.

Sary
mivavaka ny mpanjaka

Nivavaka ny mpanjaka mba hahafantarany raha toa ka tena misy Andriamanitra. Nilaza izy fa hafoiny avokoa ny fahotany rehetra.

Sary
ny mpanjaka eo amin’ny tany

Nianjera tamin’ny tany ny mpanjaka; toy ireny hoe maty ireny. Rehefa hitan’ny mpanjakavavy izy dia noheveriny fa novoin’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy.

Sary
ny mpanjaka vavy mandidy ireo mpanompo

Nodidian’ny mpanjakavavy ny mpanompony mba hamono an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy saingy natahotra ny hanao izany ny mpanompony. Nampitadiaviny olon-kafa afaka manao izany izy ireo.

Sary
i Aharôna mandidy ny mpanjaka mba hitsangana

Mialoha ny hahatafavory ny vahoaka ka hampisy olana dia noraisin’i Aharôna ny tanan’ny mpanjaka ary nasainy nitsangana izy. Nitsangana ny mpanjaka.

Sary
ny mpanjaka mampitony ny vadiny

Nampitonian’ny mpanjaka ny vadiny sy ireo mpanompony izay raiki-tahotra ka nampianariny ny filazantsara izy ireo. Nino an’i Jesoa Kristy izy rehetra.